Fa nahoana no nosokafana ity blaogy ity ?
Nampidirin'i manana19 | 9 Jio, 2006
52 taona aho izao manokatra ity blaogy ity izao . Manana no anarako ! Toa anarana maneso satria anisan’ny olona mahantra ny tenako raha ny zavatra misy manodidina sy ny fiainan’ny mpiaramonina ary ny fahafahamividin’ny tena no jerena . Toa anarana mifanentana amin’ny misy koa anefa
raha eritreretana ny hoe teraka sy lehibe tao antin’ny faran’izay mangidy ny tena no tonga afaka manokatra izao blaogy izao , izay zavatra tsy ho takatrin’ny sain’ireo mpiaramilalao fahiny na ny fisiany na ny mety ho vitany ……
Nosokafana ity blaogy ity mba ihezahana hanaovana roman autobiographique . Tsy ny hitantara tena na hizahozaho anefa ny tanjona na ny hiteny sy hitsikera ny mpiaramonina . Ny kendrena voalohany dia ny hampita amin’ireo taranaka mandimby ny traikefan’ny tena ( experiences positives et surtout négatives ) mba hanampy azy ireo handrefy ny tokony hatao na ho vitany . Hatao koa ny fitantarana hampitana ny voambolana , ny fomba sy riba nisy sy misy izay azo antoka fa tsy ho hitan’ireo taranaka ao aoriana . Ary atao ny ny fitantarana indrindra hanohizana ny tahiry antsoratra nataon’i RANDRIATSIRAVA raibenay ( na ny marina kokoa dia rahalahin’ilay rain’ny rainay ( quelle tournure!!! ) izay teraka tany amin’ny taona 1875 tany ho any ary nahavita fianarana ambony tamin’izany ka nanana andraikitra lehibe nanorina sy nitantana ny sekoly sy fiangonana maro tao amin’ny faritry mandridrano ambony sy mandridrano ambany .
Hifangaro eto anefa ny zavadrehetra , ny fahalalana sy ny tsy fahaizana , ny tenin’ny foko 18 , ny teny gasy sy ny farantsihay , ny angalisy sy ny espaniaola , ny mathématiques supspé sy ny philosophies isankarazany , ny fivavahana misy isankarazany sy ny fandalinana ny herin’ny tsy hita ( ésotérisme, occultisme , les mondes et existences subtiles ) . Koa ialana tsiny eto ampiandohana ialana fondro izany fahalemena na “fivarina lavo” manafangaro ny tsy tokony hiaro izany . Tsy manamarintena akory raha milaza fa lehibe tanteraka tao anatin’ny tontolon’ny fifangarona ny mpanoratra : faran’ny programme de formation akaiky ny an’ny frantsay talohan’ny Mai 72 miampy ny révolution nationale démocratique sy ny générations sacrifiées rehetra naterany .
Angatahana ampanetren-tena ny mpitsidika ny blaogy hametraka ny tsikerany hanatsarana ny fanoratana ny tsiahy rehetra eto . Isaorana mialoha izay manao izany .
Hiezaka araka izay azo atao kosa anefa ny mpanoratra mba tsy hilaza afatsy ny tena zavatra nisy ( factuels) , ka tsy hamorona na hanafina na dia kely akory aza izay hitany rehetra sy niainany ( honêteté intellectuelle ).
Tsara ho marihana farany eto ampiandohana angamba fa ny hevitry ny hoe roman autobiographique eto dia entna ilazana fa ny zavatra niainan’ny mpanoratra no entina ampisehona ny zava-nisy , ny fisehoan-kevitra etsy sy eroa , ny fahamarinana siantifika nandalovana na niainana manokana . Roman satria ezahana mba hanana endrika kanto ny rehetra na tsy foronana aza no lazaina fa tena nisy . Mety ho toy ny “nouvelles “ fohifohy maromaro angamba , mety ho toy ny conference na cours magistral koa indrindray . Eny an-dalana eny isika mahita izy …..