: Tena Adizaozy iny volana iny ka …..

Nampidirin'i manana19 | 17 Jio, 2006

 

 

Ririnina mamirifiry taminizay  . Nihetsi-jaza ny renin’i Manana . Nentina nihezaka namonjy ny toeram-piterahana tany an-drenivohitra tany 

 

 

 Soavinandriana . Mafy ihany ny ady vao tonga tany satria mbola 12 km ny lalana natao an-tongotra . Tonga soa aman-tsara anefa ary teraka tamin’iny mivoaka omby terabao iny i Manana .

Ny tolakandron’io no teraka tao koa i Naivo zanaky ny anabavin’i Manana ihany . Maty ny taona 2001 io Naivo io raha vao 47 taona . Ny fianakaviany noho ny tsy fahalalany dia nino fa maty noho ny fatapahan’ny lalan-drany I Naivo  . Ny marina anefa dia feno voavary (cysticercoses) hatrany amin’ny atidohany . Ary io no nitarika ny rehetra nahafaty azy . I Manana mbola manao ny adidin’ny velona izao fa Naivo no efa maty !  Tena samy manana ny alehany ny tsirairay nefa dia naira-teraka izao . Fa nahoana ary hoy ianao ? Samy manana ny vintany sy ny androny  tokoa …..Misy ny mino ny fisian’izany vintana izany ary misy ny tsy mino ; tsy hiady hevitra ny momba izany anefa isika . Ndeha hojerena fohy fotsiny ny atao hoe vintana na andro marina . Na mino isika na tsia dia avela kosa hipetraka ny tena hevin-teny marina . Eny na dia ireo mino sy matahotra  ny herin’ny vintana aza dia azo atao hoe tsy mahalala marina ny atao hoe vintana

 

Ka inona marina ary ny vintana , andro sy anjara ?

 

Ireto misy teny vitsy iray fototra : vintana , kintana, manintana  . Tsy  zavatra sarotra ho antsika fa ny kintana dia ireo “vongana hazavana ”  tazantsika eny amin’ny lanitra indrindra ny alina , ankoatra ny volana sy ny masoandro (raha fijery gasy tsy nanao sciences) raha ny fijery vaovao kosa (tenant compte des sciences actuelles – et non futures car cà évoluera aussi ) dia azo heverina ho kintana koa ny volana sy ny masoandro ( astres et planètes = kintana )  .

 

Ny atao hoe manintana indray dia toa izao . Ny mpanandro na mpisikidy teo amin’ny Ntaolo dia mila “mahalala tsara” io andro sy vintana io . Sarotra anefa ny mahalala ny andro ary indrindra ny ora mahatsinana ny volana ( fiandohan’ny volana na vintana iray ) raha mijanona ao antrano foana fa tsy mba mivoaka mandinika lanitra izy ireny . Koa ny fivoahana ny trano mandinika ny fipetraky ny volana aman-kitana mandritra ny alina vitsy misesy no atao hoe manintana . Ny mpanandro na mpisikidy tsy mba mivoaka mandinika tsara ny fipetrak’ireo volana aman-kitana ireo indrindra alohan’ny ahafaty na ny ahatsinana ny volana no atao hoe mpamono volana an-trano .Mpanao kitoatoa izany ka tsy azo hatokisana .

Azo hazavana tsotra amin’izay ny atao hoe vintana . Tsy sarotra fa ny atao hoe vintana dia ny fipetraky ny kintana amam-bolana eo amin’ny lanitra amin’ny fotoana iray mazava ( une simple repartition spatiale en un temps determine des astres et des planetes ) . Tena repartition spatiale izay fotsiny .En un temps determiné satria miova araka ny fotoana io configuration spatiale io noho ny kintana amam-bolana mihetsika na ny marina samy mihodina . Amin’ny fotoana f1 izay dia misy vintana v1 ary amin’ny f2 misy vintana v2 ets…..

 

 

Ireto indray ny teny man,araka : andro, masoandro . Ahoana indray ny amin’ireo ?

Ndeha ho jerena ny masoandro miaraka amin’izany ny fijerene ireto , masom-boly, masondrano ary masontay . Ny masom-boly dia ny voa alentika na ambolena amin’ny tany hanome voly . Ny masom-boly izany no niavian’ny voly . Toy izany koa , ny masondrano no fiandohana na fiavian’ny rano , lazaina hoe masondrano  noho izany ny loharano . Fitenin’ny olona koa matetika ny hoe ny masondrano nipoiranay dia Ranona na Ranona , hilazana izany fa  Ranona no razana nipoiranay . Ny masontay  indray dia ny faritra na ny marina kokoa ny lavaka fivoahan’ny tay . Fiteny avy anindrantany izy ity nefa tena teny Malagasy mazava sady mahalaza tanteraka ny tiany ho lazaina . Ny masontay dia lazaina koa hoe lava-body . Raha arafitra ireo moso maro ireo dia mazava ho azy fa ny masoandro dia ny toerana , na kintana niavian’ny andro . Ny masonadro izany dia kintana ( jereo ery ambony ) fa ny andro kosa dia hery avy aminy . Izany hery hoe andro avy amin’ny masoandro izany anefa dia somme vectorielle-na  grandeurs vectorielles maro . Manana ny caractéristiques vectoriels mahazatra ( point d’application, module, direction , sens…) . Maro karazana tokoa mantsy ny hery avy amin’ny masoandro  toy ny hazavana , ny hafanana ,sy ny sis amaro tsy mbola takatry ny sain’ny olombelona ankehitriny . Izao anefa , tsy ny masoandro ihany no manana hery miantefa amin’ny misy rehetra . Tsy efa voaporofo matetika tokoa ary ve fa tsy mitovy ny fitombon’ny zavatra iray ( maniry na biby ) tazan’ny tara-bolana sy ny tsy tazany . Dia toy izany hatrany ( par recurrence ..) dia hitanao fa ny kintana amam-bola dia samy manana ny hery manokana izay (samy somme vectorielle manokana ) entiny eo amin’ny tsirairay .

Inty anefa ny olana lehibe , ny hery hany fantantsika avy amin’ny masoandro dia ny hafanana sy ny hazavana ihany hatrizao , satria n any hoe herin’aratra mivantana avy aminy aza toa tsy hita fa effet photovoltaïque no hararaotina . Ny  avy amin’ny volana moa dia maika loza . Ny fandinihana kosa dia mamele ny rehetra hilaza fa misy hery apariak’io volana io hatraiza hatraiza . Dia toa izany ny kintana hafa rehetra . Maro ny hery alefany saingy tsy hay hoe sahala amin’inona na sahala amin’inona . Raha fintinina dia hoe raha misy toerana iray anaovana fandinihana dia ekena fa misy andro miantefa eo ka ny andro tonga eo dia somme vectorielle de plusieurs vecteurs ( venant de différentes étoiles et planètes ) eux-mêmes étant des sommes des vecteurs  des forces spécifiques de chaque étoile . Lalina izany nefa mety tsy misy dikany koa araka ny tsirairay . Ny misongadina dia ity samy tsy voaisa na ny kintana na ny hery avy amin’ny iray amin’ireny . Dia mazava ho azy araka izany fa tsy misy ary tsy hisy ahalala ny atao hoe andro amin’ny fomba takatry ny saina ( rationnel) .

Ny azo antoka kosa dia izao amin’ny fotoana voafaritra iray dia misy vintana na fomba fiparitahan’ny kintana eo amin’ny lanitra ( repartition spatiale) iray manokna , izay fiparitahana manokana izay dia mamaritra firindrana vectoriel iray manokana koa izay manome somme tokana na vecteur tokana  araka ny toerana iaingan’ny fandinihana . Ekena izany ny fisian’ny andro  manokana eo amin’ny toerana iray amin’ny fotoana iray . Raha miova fotoana ianao dia miova ny andro , tahaka izany koa raha miova toerana dia miova ny andro satria io no maha vectoriel azy . .

Misia anie fotoana hijerevantsika lahy ny tohiny e! Ny momba ny akasha no tiako hambara . Voasoratra ao amin’io akasha io daholo mantsy ny efa nisy rehetra (caractère inalterable de la lumière…) ary efa misoritra ao koa ny zavatra rehetra hitranga manaraka (probabilité akashique  ) . Tsy ankasitrahan’Andriamanitra anefa ny fijerena io akasha io satria lasa tsy misy dikany intsony ny sedra napetraka ho an’ny tsirairay eo amin’ny fiainany mandalo . Ny fijerena io akasha efa voarara io no atao hoe tsikilo , izay lasa hoe sikidy …………..

Aoka izay aloha fa toa natory ity olona nitantarako  teto ………………